Psalms 115

Fampitahana an’ Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin’ ny Jentilisa

1Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao. 2Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny? 3Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy. 4Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona: 5Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita; 6Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo: 7Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany. 8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. 9Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 10Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 11Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 12Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy; 13Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe. 14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo. 15Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. 16Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona. 17Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina; 18Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
Copyright information for Mg1865